Amin’ny teny Malagasy
Pejy manonta lahatsoratra isan-kerinandro manome vahana ny kolontsaina prôletera revolisinera Malagasy (Hevitra avy amin’ny Ordine Nuovo an’i Antonio Gramsci)
1. Iraka sy tanjona
Rafi.baovao (« Nouvel Ordre ») dia pejy mizara lahatsoratra isan-kerinandro hanorenana miaraka ny fahatongavan-tsain’ny mpikarama sy hampanjakana ny kolontsaina revolisionera eto Madagasikara. Tahaka an’i Gramsci tao amin’ny Ordine Nuovo (1919-1920), isika dia mino fa tsy vita any am-piasana na eny an-dalambe ihany ny revolisiona, fa tokony hoatao any an-tsaina, amin’ny fomba fianantsika isan’andro ary amin’ny fanovana ny kolontsaina iraisana amin’ny vahoaka. Ny tena tanjonay dia :
- Mamakafaka ny zava-misy iainan’ny malagasy (ny fanararaotana ara-toekarena, ny nolovaintsika tamin’ny fanjanahantany, ny tsy fitoviana eo amin’ny fiarahamonina, ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ary ny ady ara-kolontsaina eo amin’ny vahoaka sy ny kapitalista manjakazaka aminy) miaraka amin’ny fitaovan’ny materialisma ara-tantara.
- Manome vahana sy mampiely ny fanehoana ara-kolontsain’ny vahoaka miasa : poezia, sarisary, fanehoana, hira, sns.
- Manabe sy manentana ny sarangam-bahoaka, ny tanora, ny tantsaha, ny mpiasa, ny sahirana, fa tsy ireo efa « tafiditra » ihany akory no iresahantsika ato.
- Mampirisika ny fandraisana anjara mavitrika : ny olon-drehetra te handray anjara dia afaka mandray anjara avokoa, n’inona inona fari-pahaizany sy toerany eo amin’ny fiarahamoinina.
2. Fepetra fanontana
- Fiandaniana ho an’ny revolisiona : Izahay dia miady hoan’ny fahafahana feno ho an’ny mpiasa sy ny ory rehetra. Noho izany, izahay dia manohitra ny imperialisma, ny kapitalisma, ary ny andrianisma. Manohana ny internasionalisma, ary miray hina amin’ny tolon-drehetra maneran-tany everinay fa tolom-bahoaka.
- Fahazavana : Ny lahatsoratra rehetra dia tokony ho azon’ny daholobe. Tsy ilainay ny fitenin’avara-pianarana ranoray ; ary hohazavaina avokoa izay foto-kevitra marksista rehetra ampiasainay.
- Mifototra kokoa amin’ny eto an-toerana : Omen-danja manokana ny zava-misy iainan’ny malagasy (Antananarivo, faritany, ambanivohitra, tanàna kely, diaspora). Firesahana ny tantara malagasy (1947, hetsi-bahoaka, mpitarika mamim-bahoaka).
- Firaisan-kina ao amin’ny fahamaromaroana : Feo samihafa no ho re ato (mpanoratra, poeta, mpanao sary, mafana fo). Raha mbola mifanaraka amin’ny tanjona hanorenana kolontsaina prôletera ny fandraisana anjaran’ny tsirairay, dia horaisina sy hahely ato foana. Manana fijery marksista misokatra1 isika ato, ka tsy ekena ny sektarisma sy ny polemika tsy mitondra n’inona inona ao amin’ny fijery tankavia isan-karazany.
- Tsikera malalaka : Tsikeraina ireo mpangoron-karena2 malagasy, ireo olona sy andian’olon’ny imperialisma eto Madagasikara sy maneran-tany, sns, fa miaraka amin’ny tohan-kevitra mazava fa tsy fankahalana maimaim-poana. Ny rafitra no tsikeraintsika sy iadivantsika, fa tsy ny olona.
- Satria moa isika manome lanja ny mpandray anjara ato amintsika dia tsy maintsy soniavin’ny mpandray anjara nandray anjara tamin’ny fanontana ny asany tato. Na amin’ny halalan’ny anarany manokana izany, na amin’ny halalan’ny solon’anarana entiny mitolona.
- Fiteny : Omen-danja manokana ny malagasy (hiresahana amin’ny sarababem-bahoaka). Ekena ihany koa ny frantsay sy ny anglisy hisarihana mpamaky avy any ivelany. Tohanana manokana mihitsy ny lahatsoratra voadika amin’ny fiteny samihafa.
3. Ireo karazan-kasa atonta ato
- Lahatsoratra ahitana famakafakana ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina (teny 800–1800). Tsy ferana ny mihoatra, na izany aza.
- Poema revolisionera, slam, lahateny adika an-tsoratra.
- Sary, sariitatra, sary fanehoana (format PNG raha mbola mila amboarina/JPG kosa raha tonga dia zaraina avy hatrany ; avo lenta).
- Fitantaràna ny niainana, tantara mifandraika amin’ny tolona, interviews.
- Tsikeran’ny oeuvres (boky, horonan-tsary, hira) hita amin’ny fijery prôletera.
4. Fitsipiky ny fanontana
- Fiaraha-miasa : Rafi.baovao dia tsy manan-tompo ; ny mpandray anjara matetika dia afaka miova ho co-éditeurs.
- Fandrindrana : Ny zava-drehetra zaraina ato dia hoaverina vakiana hijerena ny fifanarahany amin’ny fepetra fanontana. Mety tsy ho ekena ny asa iray ( ary hoarahina tohan-kevitra izany tsy fanekena izany) raha toa ka maneho : fanavakavaham-bolonkoditra, fanavakavahana ny vehivavy, ny LGBTQIA+, manamarina ny kapitalisma amin’ny endriny ankehitriny, na mifanohitra amin’ny tanjom-pahafahana hoan’ny mpikarama.
- Fahamarinana : Lazao hoe avy aiza ny zavatra lazainao raha azo atao. Aza manao plagiat (hozahanay izany).
- Haavom-peo : Miandany, vonon-kiady, fa manaja ny mpamaky. Fadio ny fanevatevana tsy amin’ny antony na ny fiteny maherisetra loatra ka manidy ny fifanakalozana.
- Hatetika : Laharana feno isaky ny zomà (farafaharatsiny misy fandraisana anjara 1). Teasers sy firesahana isan’andro ao amin’i Meta (Facebook, Instagram, Threads).
5. Fitsipika hoan’ireo mpandray sy te handray anjara
- Alefa ato amin’ity formulaire ity izay hita eny amin’ny pejy ihany koa.
- Ataovy ao ny bio (andininy 3–5) ary ireo zavatra efa natontanao ka tianao hozaraina aminay raha misy.
- Ekeo fa hozaraina mifanaraka amin’ny licence Creative Commons CC BY-NC-SA ( izany hoe azo zaraina ilay izy fa tsy maintsy tononina ny mpanoratra, ary tsy azo amidy).
- Tsy andraisan-karama aloha ilay izy hatreto (tetik’asan’ny mpitolona ihany izy manko hatreto) ; tanjona any aoriana : micro-financement na fanolorana ara-bola hanohanana ireo mpandray anjara mavitrika indrindra.
- Midira vondrona WhatsApp hifanakalozana sy hamantarana ny kalandrie. Afaka resahanao mivantana amin’ny mpandrindra izany.
6. Soatoavina fototra
- Firaisankina amin’ny vahoaka rehetra mitolona ho an’ny fahafahany.
- Ekolojia prôletera: an’ny mpiasa ny planeta sy ny tany, fa tsy an’ireo multinationales.
- Feminisma materialista : ny ady amin’ny patriarcat dia endrika isehoan’ny adin-tsaranga.
- Kolektivisma : teny miakatra hifampiherana sy teny midina hifampifehezana, tsikera sy fitsikerana ny tena manokana3.
7. Fifandraisana sy fandraisana anjara
Araho tsy tapaka ny pejy Facebook/Instagram/Threads : @rafi.baovao. Aza misalasala ihany koa mandefa hafatra miafina ao fa hovaliana izany. Tsy azo hadinoina moa ny formulaire fandefasana ny asanao, dia ity.
Antananarivo, 23 febroary 2026
Version Française
Revue hebdomadaire pour une culture prolétarienne révolutionnaire à Madagascar (Inspirée de L’Ordine Nuovo d’Antonio Gramsci)
1. Mission et objectifs
Rafi-baovao (« Nouvel Ordre ») est une revue collective hebdomadaire qui vise à contribuer à la formation d’une conscience prolétarienne et à la construction d’une hégémonie culturelle révolutionnaire à Madagascar. Comme Gramsci dans L’Ordine Nuovo (1919-1920), nous croyons que la révolution ne se fait pas seulement dans les usines ou les rues, mais aussi dans les esprits, les pratiques quotidiennes et les formes culturelles du peuple. Nos objectifs principaux :
- Analyser la réalité malgache (exploitation économique, héritage colonial et néocolonial, inégalités sociales, destruction écologique, aliénation culturelle) avec les outils du matérialisme historique.
- Valoriser et diffuser les expressions culturelles du peuple travailleur : poésie, dessin satirique, témoignages, chants, traditions orales revisitées.
- Éduquer et mobiliser les classes populaires, la jeunesse, les paysans, les ouvriers, les précaires, sans jamais nous adresser uniquement aux « initiés ».
- Encourager la participation active : toute personne engagée peut contribuer, peu importe son niveau d’études ou son statut social.
2. Ligne éditoriale
- Engagement révolutionnaire : Nous défendons l’émancipation totale des travailleurs et des opprimés. Nous sommes anti-impérialistes, anticapitalistes, antiféodaux, internationalistes, et solidaires des luttes mondiales.
- Accessibilité et clarté : Les textes doivent être compréhensibles par le plus grand nombre. Éviter le jargon universitaire inutile ; expliquer les concepts marxistes quand ils sont utilisés.
- Ancrage local : Priorité aux réalités malgaches (Tana, provinces, campagnes, villes secondaires, diaspora). Références à l’histoire malgache (1947, mouvements sociaux, figures populaires).
- Pluralisme dans l’unité : Diversité des voix (auteurs, poètes, dessinateurs, activistes), tant que les contributions respectent l’objectif global de construction d’une culture prolétarienne. Pas de sectarisme ni de polémiques stériles entre courants de gauche.
- Critique sans concession : Critique radicale de la bourgeoisie malgache, des élites corrompues, des ONG impérialistes, des religions instrumentalisées, mais toujours avec arguments et sans haine personnelle gratuite.
- Langues : Priorité au malgache (pour toucher les masses). Français accepté pour élargir le lectorat. Anglais occasionnel pour traductions ou échanges internationaux. Les textes bilingues sont encouragés.
3. Types de contenus acceptés
- Articles d’analyse politique, économique, sociale, culturelle (800–1800 mots).
- Poèmes révolutionnaires, slam, textes oraux adaptés.
- Dessins graphiques, caricatures, illustrations symboliques (format PNG/JPG, haute résolution).
- Témoignages, récits de lutte, interviews courtes.
- Critiques d’œuvres (livres, films, musiques) vues sous l’angle prolétarien.
- Rubriques récurrentes : « Voix du peuple », « Héritage colonial », « Jeunesse et avenir », etc.
4. Principes de publication
- Collectif : rafibaovao n’appartient à personne ; les contributeurs réguliers peuvent devenir co-éditeurs.
- Modération : Les contenus sont relus pour cohérence avec la ligne éditoriale. Refus possible (mais motivé) si le texte est raciste, sexiste, homophobe, apologétique du capitalisme, ou contraire à l’objectif émancipateur.
- Sources et honnêteté : Citer les sources quand possible. Pas de plagiat (vérification systématique).
- Ton : Engagé, combatif, mais respectueux des lecteurs. Éviter l’insulte gratuite ou le langage trop violent qui ferme le dialogue.
- Fréquence : Un numéro complet tous les vendredis (3–6 contributions). Teasers et discussions quotidiennes sur Meta (Facebook, Instagram, Threads).
5. Règles pour les contributeurs
- Soumettre via ce formulaire ou par message direct.
- Fournir une courte bio (3–5 lignes) et des exemples de travaux antérieurs si possible.
- Accepter que le contenu soit publié sous licence Creative Commons CC BY-NC-SA (partage autorisé avec mention de l’auteur et non-commercial).
- Pas de rémunération pour l’instant (projet militant) ; objectif futur : micro-financement ou dons pour soutenir les contributeurs les plus actifs.
- Rejoindre le groupe de discussion WhatsApp pour échanges et calendrier.
6. Valeurs fondamentales
- Solidarité internationale avec les peuples en lutte.
- Écologie prolétarienne : la planète appartient aux travailleurs, pas aux multinationales.
- Féminisme matérialiste : lutte contre le patriarcat comme partie intégrante de la lutte des classes.
- Collectivisme : centralisme démocratique, critique et autocritique.
7. Contact et participation
Envoyez vos contributions ou vos questions ici. Rejoignez-nous sur Facebook/Instagram/Threads : @rafi.baovao. Vous pouvez également nous contacter par message.
Antananarivo le 23 Février 2026