Loading...

(Just one moment)

Momba anay – À propos

Amin’ny teny Malagasy

I Rafi.baovao dia pejy iray ikoloantsika miaraka ny revolisionera Malagasy. Sehatra iray hizarana karazan’asa soratra maro, na sary, maneho ny fijerin’ny mpikarama mahakasika lohahevitra politika maro (sy izay azo avadika ho politika). Ny anton’izany dia satria tsapa fa mila hevi-baovao ny vahoaka Malagasy hahafahany miheritreritra hoavy hafa. Ary raha tsy mipoitra izany hevi-baovao sy fomba fisainana vaovao izany, dia tsy hisy mihitsy ihany koa ny Malagasy vaovao hivoy sy hiady ary hampanjaka izany hevi-baovao izany. Ny zava-baovao tianay ho entina amin’ny fandinihana ny fiarahamonina malagasy sy ny zava-misy ao aminy (izay efa teo ihany) dia ny marksisma, ary indrindra indrindra ny fivoizana ny lafy tsaran’ny fampiasana fomba fijery miandany na « regard partisan » amin’ny fandinihina sy fomba fijerena fiarahamonina.

Asa soratra isan-karazany niasàna sy nikirizana, ary koa mitondra zava-baovao hoan’ny mpamaky no tianay zaraina aminareo mpanaraka anay. Ao ireo fizarana an-tsoratra na an-tsary hiresahanay ny marksisma, ireo miresaka ny traikefa ara-politikan’ireo firenena entin’ireo marksista-leninista, ny tolom-panafahana nataon’ireo vahoaka voazanaka, ary ny tolon’ireo vehivavy manohitra ny fangejana iainany nohon’ny fifandraisany amin’ny lehilahy. Malalaka anefa ny sehatra hiresahana ny lafim-piainana rehetra ao anatin’izany ary tsy voafetra ho izay ihany ny horesahana ato. Araka izany dia hampifandraisana amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena matetika ny resaka. Lafin-javatra tokony horesahana sy havohitra ireo karazam-pifanoherana (indraindray fifandonana) mampifanolana ireo mpiantsehatra ara-tsosialy isan-karazany eto Madagasikara, ahafahana mamaha ireo fianoherana ireo sy mandroso sy mamaha azy tsy hisiany intsony.

Napetraka moa ny tanjona hamoahana isan-kerinandro saingy miankina feno amin’ny fahafahan’ny mpandrindra mizara amin’ny tambajotran-tserasera kosa izany fizarana asa soratra sy sary izany, satria tsy ito irery moa no ataonay ary tetik’asan’ny mpitolona ihany izy ity ka izahay aza no tena miantoka ny tenanay sy ny tetikasa.

Izaho mpanoratra eto kosa no Kamarady Soa. Mpianatra M2, sehatra « science politique », mianatra manokana momban’ny « affaires publiques« , ao amin’ny Instituts d’Etudes Politiques Madagascar. Mamarana boky mikasika ny antoko iray manan-tantara, nanana mpikambana kominista, tamin’ireny taona 1958 ireny aho ankehitriny, ary hozaraiko eto ihany ny mombamomban’izany boky izany rehefa vita ilay izy. Mpitolona marksista-leninista malagasy ihany koa ary mpanoratra ao amin’ny fanehoan-kevitra marksista Rafahafahana, karakarain’ny vondrona Facebook antsoina hoe: « Vaikafo » teo aloha.

Izay sy izay ny momba ity pejy ity, sy ny tenako mpanoratra. Mirary anao mpamaky haka fy amin’ny lahatsoratra zaraiko ato.

Version française

Rafi.baovao est une page où nous construisons ensemble les révolutionnaires malgaches. Une plateforme permettant de partager une grande variété d’écrits ou d’images exprimant le point de vue du public sur un large éventail de sujets politiques (et potentiellement politiques). La raison en est que l’on estime que les Malgaches ont besoin d’idées nouvelles pour pouvoir penser à un avenir différent. Et si cette nouvelle idée et cette nouvelle façon de penser n’émerge pas, il n’y aura jamais de nouveau Malgache pour miiliter, combattre et faire prévaloir cette nouvelle idée. La nouveauté que nous souhaitons apporter à l’étude de la société malgache et de sa réalité (qui est déjà là) c’est le marxisme, et surtout le côté positif de l’utilisation d’un regard partisan dans l’analyse et la perception de la société.

Nous souhaitons partager avec vous, nos abonnés, les différents ouvrages que nous avons travaillés, et apporter de l’originalité à nos lecteurs. Vous y trouverez des écrits et des images abordant le marxisme, l’expérience politique des pays dirigés par des marxistes-léninistes, la lutte de libération des peuples colonisés et la lutte des femmes contre l’oppression masculine. Nous aborderons également tous les aspects de la vie. Ainsi, la conversation portera souvent sur l’actualité du pays. Les aspects qui doivent être discutés et soulignés sont les types de contradictions (parfois ouvertes) qui opposent les différentes classes sociales à Madagascar, afin de pouvoir résoudre ces contradictions et d’avancer vers une nouvelle situation où elles n’existeront plus.

L’objectif était de publier chaque semaine, mais ce partage d’écrits et d’images dépend entièrement de la capacité des membres à publier sur Internet. Comme c’est un projet militant, tous les coûts reposent sur nous-mêmes et nous devons donc travailler à côté.

Moi, l’auteur de ces lignes, je m’appelle Kamarady Soa. Je suis étudiant en deuxième année de master en sciences politiques, spécialité « affaires publiques », à l’Institut d’études politiques de Madagascar. Je termine actuellement un livre sur un parti historique qui comptait des membres communistes dans les années 1958. Je partagerai ici les détails de ce livre lorsqu’il sera terminé. Je suis un militant marxiste-léniniste malgache et l’ancien auteur de la page marxiste malgache Rafafafana, organisée par le groupe Facebook « Vaikafo ».

J’espère que vous apprécierez l’article qu’on partage ici.

Fandraisana – Accueil