Amin’ny teny malagasy
Vina
Madagasikara entim-bahoaka, miainga avy eny amin’ny fikambanam-bahoaka isan-karazany eny ifotony tsy an-kanavaka (toy ny fokonolona, ny fikambanan’ny mpiasan’ny orinasa iray, ny fikambanan’ny tantsaha, ny fikambanan’ny tanora, ny fikambanan’ny vehivavy ary ny fikambanan’ny mpiray fiaviana) ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna sy mpitsara.
Drafitra
ny marksisma-leninisma no foto-kevitra hijoroana, hitadiavana vaha-olana ho an’ny fifanindranana rehetra misy eto amin’ny fiarahamonina malagasy, hanabeazana ary handaminana ny tolom-piavotantsika.
Programa
ampidirana ao amin’ny seha-piheveran’ny malagasy ny marksisma mba hikoloina ireo ho mpitarika marksista-leninista handrafitra ny antoko kominista malagasy.
Tanjona
Fohy ezaka
manangana ivon’ny mpitantana Marksista-Leninista (olona 5-15 ao anatin’ny 6-12 volana), fanontana asa soratra tsy tapaka.
Mariny ezaka
mitarika ny tolona eto an-toerana (ara-kasa, ara-pilan’ny vahoaka, fanabeazam-bahoaka).
Lavitra ezaka
Fototry ny antoko kominista malagasy.
Tetikasa
fizaràna asa soratra mikasika ny marksisma, ny traikefa Marksista-Leninista (ML), ny tolom-panafahana isan-karazany eto an-toerana sy maneran-tany, ny fanaporetana noho ny mahalahy mahavavy, ary ny fifanoherana misy eo amin’ny fiarahamonina.
Asa
- fanoratana sy fampielezana ny lahatsoratra mandritry ny herinandro (tsy raikitra sy mazava hoe isaky ny oviana fa mandritry ny herinandro).
- fanombanana ny kandida te hiditra sy fandraisana azy ho mpikambana vaovao amin’ny halalan’ny formulaire.
- fihaonana mivantana, na en ligne tsy tapaka.
- fifanofanana ara-teorika iombonana (famakiana Marx, Engels, Lénine, Staline, Mao… sns.)
- fanehoana firaisan-kina amin’ny hetsika misy.
Tsy programa mikatso eo foana moa io : iarahana manamboatra amin’ny kamarady te hiditra ho ivo. Raha mitovy fijery aminay ianao, dia fenoy ny formulaire d’adhésion. Afaka tohizantsika ao amin’ny hafatra miafina ny azo atao miaraka.
Version française
Vision
Madagascar populaire, où le pouvoir exécutif, législatif et judiciaire émaneront des diverses organisations de base sans discrimination (comme les fokonolona, les associations de travailleurs d’une entreprise, les associations paysannes, de jeunes, de femmes et d’originaires).
Politique
le marxisme-léninisme est l’idéologie de cet espace d’expression. Il sert à trouver des solutions aux contradictions inhérentes à la société malgache, à éduquer et à organiser notre révolution.
Programme
introduire le marxisme dans la pensée malgache pour préparer des leaders marxistes-léninistes qui créeront le parti communiste malgache.
Objectifs
Court terme
créer un noyau de cadres Marxistes-Léninistes (5-15 personnes en 6-12 mois), publication régulière.
Moyen terme
diriger luttes locales (travail, besoins populaires, éducation populaire).
Lavitra ezaka
Base d’un parti communiste malgache.
Projet
publication régulière de travaux marxistes, d’expériences marxistes-léninistes (ML), de luttes de libération locales et mondiales, contre les oppressions genrées et les contradictions inhérentes à la société.
Activités
- Rédaction et diffusion hebdomadaire.
- Recrutement filtré via formulaire.
- Réunions physiques et ou en ligne régulières.
- Formation théorique collective (lectures Marx, Engels, Lénine, Staline, Mao).
- Actions de solidarité avec les autres mouvements populaires.
Ce programme n’est pas figé : il s’affinera collectivement avec les camarades qui rejoindront le noyau. Si tu partages cette vision, remplis le formulaire d’adhésion. Discutons-en en privé pour l’élaborer ensemble.
